Skip to content

Details

Andao mba hanonofy kely hoe: inona no hiseho raha amin'ny teny malagasy daholo ny zava-drehetra eto Madagasikara?

🇲🇬 Ho betsaka ny asa hiforona manodidina ny teny malagasy.
📚 Hahazo ny fahalalana tokony ho izy amin'izay ireo Malagasy 80% tsy miteny afa-tsy teny malagasy.
🙌 Hahazo asa, hamorona asa, hanangana tetikasa ny Malagasy maroanisa.
🚀 Hivoatra ny haikintana, ny haikanto, ny haify, ny haifiaina, ny indostria, ny rôbôtika, ny kajimirindra, ny siantsa, ny haitarika, ny fitantanana, ny fandraharahana, ny serasera, ny fahasalamana...
Hiroborobo tanteraka ny toekarena.

Nofinofy aloha izany hatreto, nefa "rehefa hainao ny manonofy zavatra iray, hainao ny manatanteraka azy" hoy i Walt Disney.

Resy lahatra izahay ato amin'ny Teny Gasy 2.0 sy ny Wordpress MAlagasy, fa raha samy mandray ny anjara tandrify azy ny tsirairay sy ny sehatra samihafa dia hahavita dingana lehibe isika.

Izany indrindra no antony namoronanay sy hikarakaranay ny hetsika AINTENY, hetsika goavana iray hanomezan-danja ny fampiasana ny teny malagasy amin'ny sehatra rehetra.

🗓️ 19 sy 20 jona 2026
"Ny teny malagasy mahalaza ny ankehitriny sy ny hoavy"

Manasa anao hanohana ny fikarakarana ny hetsika AINTENY
https://fr.ulule.com/ainteny/

Related topics

Events in Antananarivo, MG
Language & Culture
WordPress

Sponsors

Woo

Woo

Woo is the leading open-source ecommerce platform, built on WordPress.

Jetpack

Jetpack

Safer, faster WordPress.

WordPress com

WordPress com

We're a hosted version of the open-source software

Hostinger

Hostinger

Helping people build their online presence

You may also like